AKOM-BAOVAO DRMIM ALAOTRA MANGORO : Fambolen-kazo tao Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana
Tontosa ny zoma faha 28 Febroary 2025 teo ny fambolen-kazo izay nokarakarain’ny Fitaleavam-Paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMIM Alaotra Mangoro sy ny BCMM Ambatondrazaka izay natao tao amin’ny kariera Antandrokomby, Fokontany Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana, Distrika Ambatondrazaka.
Fambolen-kazo izay niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany rehetra ao Alaotra Mangoro.
Nosafidiana manokana io toerana io izay « Couloir d’exploitation Artisanale » voalohany napetraka eto Madagasikara, ka araka izany dia izay nataon’ny Minisitera ho fitaratra.
Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana izay nataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, ka nanamafisan’ny Talem-paritry ny harena an-Kibon’ny Tany fa manana adidy lehibe amin’ny fanarenana ny Tontolo iainana ny mpitrandraka rehetra.
Zanakazo miisa 2000 mahery no novolena tamin’izany izay nahitana karazany maro toy ny Kininina, Acacia ary fihinamboa.
Taorian’ny fambolen-kazo dia nisy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana izay natao mba hanamafy horina ny « FIRAISANKINA » eo amin’ny samy Mpitrandraka.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Alaotra Mangoro