Akom-baovao DRMRS Amoron’i Mania:

Fidinanana ifotony tany amin’ny Distrika Ambatofinandrahana ny 31 Aogositra sy 01 Septambra 2021

Ankoatra ny fitsidihana ara-pomba fanajana izay nahafahana nifanakalo hevitra tamin’ny Lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny Tanàna tao amin’ny Distrika Ambatofinandrahana, dia nisy ny :

–        Fampahafantarana ny fehezan-dalana mifehy ny harena ankibon’ny tany tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana.

–        Famantarana ireo toeram-pitrandrahana tsy manara-dalana misy ao amin’ny Kaominina sy Distrika Ambatofinandrahana.

–        Fiaraha-nandinika ireo paikady hampidirana amin’ny ara-dalana ireo mpisehatra maro amin’ny harena an-kibon’ny tany misy any antoerana.

–        Famantarana ireo olana sosialy misy any ifotony ahafahana iaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha.

Nasiana tsindrim-peo manokana nandritra ny fihaonana tamin’ireo  mpisehatra vitsivitsy amin’ny harena ankibon’ny tany ny fampirisihana azy ireo hiditra amin’ny rafitra ara-dalana mba hitondra fampandrosoana ny firenena.

Fampitam-baovao : DRMRS Amoron’i Mania