Akom-baovao DIRMRS Fianarantsoa
Nanatanteraka hetsika fizarana ny karatra mpanivana volamena sy mpandanja volamena madinika (catégorie 1) tao amin’ny Fokontany Mandazaka Commune Rurale Ambinaniroa ny Zoma 27 Aogositra 2021 sy tao amin’ny Distrika Ambalavao Faritra Matsiatra Ambony ny Zoma 03 Septambra ny avy eo anivon’ny Direction Interrégionale MMRS Fianarantsoa.
Hetsika izay niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Commune Ambinaniroa notarihan’ny Ben’ny Tanàna. Tsara ny manamarika fa miditra madiodio any anaty kitapom-bolan’ny Kaominina Ambinaniroa avokoa ny saran’ireo karatra ireo,
ary mbola hotohizana izany fizarana karatry ny mpanivana sy mpandanja volamena madinika izany.
Izao hetsika izao no tontosa dia noho ny fandraisana anjara avy amin’ny tomponandraikitra rehetra ary anehoan’ny DIRMRS Fianarantsoa fankasitrahana manokana ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana.
Fampitam-baovao: DIRMRS Fianarantsoa