Analamahavelona Sakaraha

09/09/2021 – Zava-misy marina momba ny fifandonana niseho teo anivon’ny toeram-pitrandrahana safira tany Analamahavelona Sakaraha

Taorian’ny vaovao voaray mahakasika ny fifandonanana eo amin’ny samy mpitrandraka tao amin’ny kariera iray tany Analamahavelona, Distrika Sakaraha, izay mitatitra faharatrana olona sy famoizan’aina tany anaty kariera, dia tsara ny manamarika fa nisy tokoa ireo olona naratra izay miisa telo (3), fa tsy nisy kosa ny aina nafoy araka izay voalaza.

Efa mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ary efa voafehy ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.