Akom-baovao DIRMRS FIANARANTSOA: Fiaraha-miasa amin’ny Zandary momba ny fampanarahan-dalana ny fitaterana harena ankibon’ny tany
Ho fampahafantarana ireo karazana taratasy tokony ho hita amin’ny fitondrana harena an-kibon’ny tany na ny mise en circulation des produits miniers, tonga namaly ny antson’ny avy eo anivon’ny BPR Fianarantsoa eo anivon’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena faritany Fianarantsoa ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Fianarantsoa ny faha-21 Febroary 2022.
Nankasitraka izany hetsika izany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra misahana ny fifamoivoizana BPR Fianarantsoa, ary nanamafy fa tena ilaina ny fifanakalozana toy izao. Naneho ny fahavononany amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny Fitaleavam-paritra sy ny Ministera foibe ihany koa izy ireo ho fampanarahan-dalana ny fitondrana ny harena ankibon’ny tany.
Fampitam-baovao sy sary : DIRMRS Fianarantsoa
MMRS/DCRI