Akom-baovao DIRMRS MELAKY: Fambolen-kazo nokarakarain’ireo mpitrandraka vato

Nanatontosa fambolen-kazo ho fanarenana ireo toerana izay avy nanaovana fitrandrahana ao Angerigedy Ambony, CR Mafajijo Distrika Maintirano ireo mpitrandraka vato ny Sabotsy faha-21 Febroary 2022. Zanakazo nahitana acacia sy Ananambo 2000 fototra no novolena tamin’izany.

“Tafita tanteraka ny hafatra momba ny fiarovana ny tontolo iainana” hoy ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Melaky. Nanotrona ity hetsika ity ireo mpiara-miasa avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibony tany DRMRS Melaky sy ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy DREDD Melaky. Fizarana nofon-kena mitam-pihavanana no namaranana ny fotoana.

Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Melaky

MMRS/DCRI