Fitokanana ny BCMM Sambava

Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny Birao miadidy ny sora-pananana momba ny harena an-kibon’ny tany BCMM Sambava. Nanotrona izany ny Praiminisitra NTSAY Christian, izay sady Minisitra misahana vonjimaika ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana maro.

Fampandrosoana ireo faritra rehetra manerana an’i Madagasikara tsy ankanavaka no fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika. Nanamafy ny tenany, nandritra izao lanonam-pitokanana izao, fa tokony hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany, ary fanombohana ny fampandrosoana miainga eny ifotony ny fametrahana ireo biraom-panjakana izay atao manerana ny faritra maro.

Anisan’ireo biraom-paritry ny BCMM miisa roa ambin’ny folo (12) hita manerana ny Nosy ity notokanana androany eto Sambava ity. Araka izany, ho an’ny Faritra SAVA dia ity birao ity no hisahana ny fandraharana ara-panjakana izany sehatry ny harena an-kibon-tany izany eo amin’ny lafiny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon-tany, araka ny antom-pisiana sy andraikitra fototry ny BCMM. Izy ihany koa no mandray ireo fangatahana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon-tany (Permis miniers) sy ny fahazoan-dalana feno amin’ny famandrihana faritra hitrandrahana (AERP) ary manome ny Titres miniers ao anatin’ny mangarahara.

Tafiditra tanteraka anatin’ny Fanjakana manakaiky vahoaka izay imasoan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika izao fananganana ny BCMM Sambava izao; fotodrafitrasa izay handray rahateo ihany koa ny Fitaleavam-paritry ny Ministera ho an’ny Faritra SAVA. Manakaiky vahoaka, satria teo aloha dia voatery mihazo an’Antsiranana ny mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany hanao ny antonta-taratasy rehetra ka zary miteraka hakiviana, eny, sakana ho azy ireo izany.

Manoloana izany dia isan’ny antom-pisian’izao birao izao ny fanamorana ny fidiran’ireo mpitrandraka rehetra ao anatin’ny sehatra ara-dalana, fa indrindra hisintomana ireo mpitrandraka madinika mba hiroso amin’izany, mba ho tombontsoan’ny rehetra.

Manana ny maha izy azy ny Faritra SAVA raha ny lafiny harena an-kibon’ny tany raha tsy hilaza afa-tsy ny volamena, ny varahana, eladrano (mica), ireo vatosoa toy ny quartz, sphène, tourmaline.

BCMM : Bureau du Cadastre Minier de Madagascar

AERP : Autorisation Exclusive de Réservation de Périmètres miniers