Fiaraha-miasa DRMRS Menabe sy ny vovonam-paritra ny Firaisamonim-pirenena « FIVE MENABE »
Nanantanteraka fidinana ifotony ny herinandron’ny faha-12 hatramin’ny faha-17 Oktobra lasa teo, tao amin’ny Kaominina Malaimbandy (Distrika Mahabo), Kaominina Miandrivazo sy Ankotrofotsy ary Dabolava (Distrika Miandrivazo) ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Menabe sy ny « Plateforme Régionale de la Société Civile de la Région Menabe » FIVE MENABE.
Fampiofanana sy fampahafantarana mahakasika ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ireo tombontsoa samihafa tokony ho azon’ ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no niarahan’ny roa tonta nifarimbona.
Mpikambana miisa 97, tao amin’ireo kaominina izay nanaovana izao fidinanana ifotony ho an’ny taona 2021 izao, no nisitraka izany fampiofanana izany. Teo ihany koa etsy andaniny ireo tomponandraikitra sy solontena avy amin’ireo Kaominina sy Fokontany voakasika.
Izao hetsika izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRMRS Menabe sy ny Vovonam-paritra FIVE MENABE izay marihana fa efa nanomboka tamin’ny taona 2017 ; raha ny WWF kosa no nahazahoana namatsy ara-bola ny fidinanana ifotony.
Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Menabe