Fort-Dauphin: Fivoriana ara-kasa momba ny lalam-pihariana eladrano

Nisy ny fivoriana ara-kasa momba ny lalam-pihariana eladrano (Mica),  izay niarahan’ny ekipan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny  Loharanonkarena Stratejika avy ao amin’ny Direction Générale des Mines, ny Direction de la Règlementation Environnementale et de Sécurité sy ny Direction Régionale MMRS Anosy ary ireo mpisehatra isan-tokony amin’ny fanangonana sy fanondranana ny Mica any an-toerana.

Fampahatsiahivana momba ireo Lalàna fototra mifehy ny seha-piahariana harena an-kibon’ny tany, narahana fifanakalozan-kevitra no notanterahana tamin’izany, tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Ministera DRMRS Anosy ao Fort Dauphin.

Fampitam-baovao sy sary : DGM MMRS