Akom-baovao DIRMRS Vatovavy sy Fitovinany: Fitsidihana ara-pomba fifanajana ny governoran’ ny faritra Vatovavy sy ny Préfet Mananjary

Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Governoran’ny faritra Vatovavy sy ny Préfet Mananjary ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, androany 16 Desambra 2021.

Fitsidihana izay niarahan’ ny Talem-paritra DRMRS Vatovavy sy Fitovinany, ny Tale Jeneralin’ny Agence Nationale de la filière Or (ANOR), ny Tale Jeneralin’ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM) ary ny Tale BCMM Manakara.

Ny anton’ny fitsidihana moa dia ny fampandehanana ny raharaha eo anivon’ny Birao miadidy ny fandraharahana ny harena an-kibon’ny tany na ny Bureau d’Administration Minière BAM Mananjary izay vao notokanan’ny Filoham-pirenena.

Nisy ny fanomezana ireo saritany cartes géologiques, indices métalliques, minéraux industriels avy amin’ny Ministera ho an’ny Faritra Vatovavy, mba hahafahan’ireo tomponandraiki-panjakana ifotony mahafantatra ireo harena an-kibon’ny tany misy ao aminy. Voaresaka nandritra ny fitsidihana ihany koa ny hetaheta sy ny tarigetra izay ho entin’ny Governoran’i Vatovavy dia ny amin’ny fampandrosoana ny Faritra amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.

Fampitam-baovao sy sary : DIRMRS Vatovavy sy Fitovinany