Seha-pihariana vato sy volamena DRMRS SAVA: Ben’ny tanàna an’ireo kaominina 19 mandrafitra ny distrika Vohemar nizarana ireo tsara ho fantatra

Notanterahana ny 02/02/22 tao amin’ny biraon’ny Distrika Vohémar ny fihaonana niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DRMRS SAVA tamin’ireo ben’ny tanana 19 mandrafitra ny Distrikan’ i Vohémar.

Tontosa tamin’izany ny fifampizarana ny tsara ho fantatra mahakasika ny asa fitrandrahana vato sy volamena, fifanakalozan-kevitra ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Isan’ny zava-dehibe noresahana ny momba ny tamberimbidy sy mikasika ny vidin’ny vato eny ifotony, ny momba ireo mpitrandraka ara-dalàna sy tsy ara-dalàna ka nitadiavana fiaraha-miasa matotra.

Fampitam-baovao sy sary : DRMRS SAVA