Akom-baovao DIRMRS Toamasina
29/01/2022 – Nanatanteraka iraka tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampasimbe, District Brickaville, Faritra Atsinanana ny DIRMRS Toamasina, niaraka tamin’ny Police des Mines.
Tontosa tamin’izany ny :
– Fanadihadiana ny zava-misy tamin’ny tomponandraikitry ny Kaominina, no sady namerina ny fanentanana hatrany amin’ny andraikitry ny Ben’ny tanana eo amin’ny asa harena ankibon-tany.
– Fitsidihana ireo toerana fanivanam-bolamena izay manaraka ny renirano Sandrakatana, manodidina ny RN2.
– Fihaonana tamin’ireo mpanangona volamena.
Fidinana ifotony izay nahafahana nahita teny an-toerana ny fitrandrahana sy ny vokatra, ireo olana ara-tontolo iainana, ara-pandraharahana sy ara-toekarena ary ireo vahaolana fanatsarana mila entina manoloana izany, na ho an’ireo mpanivana, ireo mpanangom-bokatra, ny Kaominina sy ireo mpisehatra voakasika.
Naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa akaiky ny Kaominina mba hisian’ny fampandrosoana kokoa.
Fampitam-baovao sy sary : DIRMRS Toamasina