Voin-kava-mahatratra: tolo-tànana ho an’ny kaominina Iaritsena Ambalavao

Toromarika nomen’ny Filoham-pirenena  ny fifanomezan-tanana hamonjena ireo mpiray tanindrazana traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Araka izany, tonga nisolo tena ny Minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanokarena Stratejika tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Iaritsena, Distrika Ambalavao ny ekipa notarihan’ny Talen’ny Kabinetra,  nitondra vary sy masomboly hahafahana manao voly avotra ary fanampiana ho fampitaovana amin’ny fanarenana ireo tranon-tsekoly nahitana faharavana.

Isan’ny niharan’ny fahapotehana goavana, indrindra eo amin’ny resaka fambolena sy fiompiana izay tena fototra hiveloman’ny mponina, ny ao anatin’ny distrikan’Ambalavao. Manoloana ny fahapotehan’ny ketsa sy ny fambolena amin’ny ankapobeny, hita fa misy ireo tanimbary tsy ho afaka amin’ity taona ity, ary tsinjo sahady ny fiantraikan’izay ara-tsosialy sy ara-toekarena ary amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. Teo anatrehan’izay indrindra no nifandraisana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ary nifandraisana mivantana tamin’ny mponina, ka nahafahana namantatra ireo filàna izay maro dia maro, fa ny tena lohalaharana dia ny sakafo hohanina, manaraka izay ny fanarenana ny fambolena. Taorian’ny fitsidihana ireo tranon-tsekoly rava, dia nisy ihany koa ny tolo-tanana ho amin’ny fampitaovana ny fanarenana.

Nandray izany fanampiana izany ny teo anivon’ny Kaominina,  natrehan’ny Ben’ny Tanàna  sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy, ny Lehiben’ny Distrika sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Assistant Parlementaire ny Solombavambahoaka.

Fampitam-baovao : DIRMRS Fianarantsoa

Horonantsary : TV PLUS MADAGASCAR – 15/02/2022