FAMBOLEN-KAZO TSINJONY 18 FEBROARY 2022
Vina napetraky ny Filoham-pirenena ny hamerenana ho Nosy maitso an’i Madagasikara. Adidy masina mitaky fiaraha-mientana sy asa amin’ny isam-batan’olona izany satria Madagasikara rakotra ala no tanjona.
Tontosa ny Zoma 18 Febroary 2022 tany Ampangabe ny hetsika fambolen-kazo nokarakarain’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika foibe sy ny OMNIS. Hetsika naneho fiombonana satria ankoatra ny fianakaviamben’ny Ministera sy ireo mpiara-miasa avy amin’ny ratsamangaikany, nahitana ny fandraisan’anjaran’ny solontena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka mpandraharaha amin’ny fikarohana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solitany, nisy ihany koa ny avy amin’ny federasionan’ny mpitrandraka
Sehatra asa mandray anjara feno amin’ny fanarenana ny tontolo iainana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, hoy ny Tale Kabinetra izay nisolo tena ny Praiminisitra NTSAY Christian, sady Minisitra mitantana vonjimaika ity departementa ity. Nanentana ny tsirairay izy hiombona hanatanteraka izany fambolen-kazo izany hametrahana zava-tsoa ho an’ny Firenena sy ho tontolo maitso mavana hovantanin’ny taranaka fara mandimby.
Zana-kazo kininina Oliva sy Acacia manodidina ny 5.000 isa no novolena tao amin’ny Fokontany Tsinjony, tamin’ny velaran-tany 2 ha an’ny OMNIS. Efa hatramin’ny taona 1986 no efa nanajary ny teny an-toerana nanaovana fambolen-kazo ny OMNIS ka velarana 31,5 ha no efa rakotra hatramin’izay, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana an’ny OMNIS.
MMRS/DCRI