NIARA-NIDINA IFOTONY TAO AMIN’NY FARITRA AROVANA IBITY IREO TOMPONANDRAIKITRA
Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Commune Alatsinainy Ibity, Fokontany Ambarinakanga ny 31 Martsa 2022 ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Vakinankaratra niaraka tamin’ny Police des Mines any an-toerana, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy DREDD Vakinankaratra, ny eo anivon’ny Zandarmaria ary ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MBG tosika miadidy ny faritra arovana Ibity.
Tanjona tamin’izany ny hahafantarana ny zava-misy marina eny ifotony manodidina ity faritra arovana Ibity ity, mba ahitana ireo fepetra horaisina amin’ny fitandroana azy. Marihana fa nisy ny fitrandrahana Mica nanamorona izany faritra arovana izany teo aloha fa voafehy izany ankehitriny taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra.