DRMRS VAKINANKARATRA: TOROLALANA HO AN’NY MPITANDRO FILAMINANA

Fampahafantarana ny mpitandro filaminana ireo lalan-tsaina tokony harahana momba ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany, mifandraika indrindra amin’ny asa sahanin’izy ireo. Notanterahana ny Zoma 01 Aprily 2022 tao amin’ny trano fivorian’ny BCMM Antsirabe.

Nifarimbona nampahafantatra izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika miaraka amin’ny Polices des Mines miadidy ny Faritra Vakinankaratra.