FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLONTENAN’NY TAHIRIM-BOLA IRAISAM-PIRENENA TAMIN’NY MINISTRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY 07/04/2022

 Hanamafy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny firenena Malagasy.

Noraisin’ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier teny amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby ny solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena monina eto Madagasikara Andriamatoa Mokhtar Benlamine, androany Alakamisy 07 Aprily 2022.

Isan’ireo teboka voaresaka tamin’ izany ny fivoarana eo amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, ny tetikasa ahafahana miara-miasa, ny fomba hisitrahan’ny vahoaka Malagasy ireo tamberina azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Na ny solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika dia samy naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hisian’ny tena fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara.