AKOM-BAOVAO DRMRS MENABE : Fidinana ifotony fanentananana sy fampahafantarana tao Betamotamo Dabolava

Toy ireo izay efa tanterahan’ireo Sampandraharaham-paritry ny herena an-kibon’ny tany manerana ny Nosy, dia nisy ny hetsika fampahafantarana an’ireo mpisehatra ireo ny lalàna sy andinin-dalàna mifehy ny fitrandrahana ny vato sy ny volamena tao amin’ny Fokontany Betamotamo, Kaominina ambanivohitra Dabolava Distrikan’i Miandrivazo, notontosain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra DRMRS Menabe ny Alakamisy faha 31 marsa sy zoma 01 aprily 2022 teo.

Fihaonana tamin’ireo mpitrandraka madinika amin’ny fikirakirana ny harena an-kibon’ny tany vato sy volamena, ary nanentanana azy ireo koa mba hanangana fikambanan’ny mpitrandraka madinika mba ahafahana manamora ny fiarovana ny tombontsoan’izy ireo. Niaraha-nijery ireo tranga mateti-piseho eo amin’ny fanatanterahana ny asa, isan’izany ny zava-misy eo amin’ny tompon-tany sy ny fokonolona, nitadiavam-bahaolana ka niafara tamin’ny teny ierana nifaneken’ny roa tonta.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe