« Fambolen-kazo fanarenana ny loharano antoky ny fiveloman’ny mponina »

Notontosaina ny Zoma 15 Aprily 2022 ny fotoam-pambolen-kazo ho an’ny eo amin’ny Prefektioran’i Sambava Faritra SAVA.

Zanakazo miisa 7000 no novolena, ka nahitana 2000 Acacia, 2000 foraha ary 3000 tsararavina. Velaran-tany mirefy 3.300 Ha no ho rakofana ala ao amin’ny Faritra SAVA. Ny hetsika dia teo ambany fitarihan’ny avy ao amin’ny DREDD, Faritra SAVA, ny Prefekitioran’ny Sambava, ny CU Sambava, ny avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena, ny STD rehetra sy ireo fikambanana tsy miankina.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS SAVA

© MMRS/DCRI – Avril 2022