Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika Tagnamaro Volana Aprily tao Tolagnaro ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS ANOSY.
Fanatsarana ny toerana fialana sasatra manoloana ny CHRR Philibert TSIRANANA Tolagnaro no notanterahana tamin’izany. Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy, tohanan’ny Kaominin’ny ambonivohitrin’ny Fort-Dauphin, no nitarika ny hetsika izay notronin’ireo hery velona marolafy any an-toerana, miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Mahafinaritra sy mahatamana ny mipetrapetraka sy mitsangatsangana amin’iny toerana iny ankehitriny izay efa voadio sy mazava soa.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Anôsy
© MMRS/DCRI – Avril 2022