Fidinana ifotony notanterahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Fianarantsoa tao amin’ny CR Zazafotsy ny 12 Aprily 2022.

Nampahafantarina ny Maire sy Trésorier ny Commune ireo ristournes sy ny anjara tamberim-bidy ho an’ny Commune avy amin’ ireo Permis miniers izay misy ao aminy ka nahitana taratra tamin’izany ireo vola efa mirotsaka ho an’izy ireo sy ireo izay tsy mbola mirotsaka. Nampahafantarina ny eo anivon’ny Commune araka izany ireo dingana azony atao mba hahazoany ireo vola ireo.

Nankasitraka ny fitsidihana sy ny fampahafantarana  ireo zony  ny Ben’ny Tanàna tao an-toerana ary nisaotra  ny fandalovan’ny DIRMRS Fianarantsoa ary vonona amin’ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny Commune sy ny Firenena

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Fianarantsoa