Akom-baovao DRMRS Vatovavy Fitovinany: Fidinana ifotony tao Ambohimiarina II Mananjary ho tohin’ny fametrahana ny zone d’encadrement

Ho tohin’ny fametrahana ny zone d’encadrement dia nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambohimiarina II, Distrika Mananjary, Faritra Vatovavy ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS Vatovavy sy Fitovinany ny faha-21 Jolay 2022.

Raha ny hita dia maro tokoa ny olona misehatra eo amin’ny asa fitrandrahana sy fanivanana volamena ao anatin’ny tsy ara-dalàna any an-toerana. Noho ny ezaka izay irosoan’ny Ministera tomponandraikitra, amin’ny alalan’ny fametrahana ny Zone d’encadrement sy ny fanehoan’ireo mpisehatra ny fahavononany anefa, dia azo heverina fa mizotra mankany amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka anatin’izany seha-pihariana izany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vatovavy sy Fitovinany.

  MMRS/DCRI – Juillet 2022