FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHO BRITANIKA – 26/07/2022
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, ny Masoivoho Britanika eto Madagasikara Andriamatoa David William Ashley, ny Talata 26 jolay 2022.
Sehatra manan-danja goavana eo amin’ny toe-karem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Fanoitra ho amin’ny fampananana asa no sady loharanom-bola ihany koa, ka mitaky tontolo matihanina, mirindra sy azo antoka mba hahafahany mitondra anjara biriky bebe kokoa ho an’ny toe-karena sy ny fampandrosoana firenena, raha ny nambaran’ity Masoivoho ity.
Noresahan’ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ny fiaraha-miasa mba hitondran’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany anjara biriky bebe kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ny mikasika ny fiantraikan’ny resaka fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy, ny fenitra EITI. Ny Fanjakana Britanika rahateo dia isan’ireo firenena lohalaharana amin’ny fametrahana sy fampiharana ny fenitra EITI, fenitra izay mikatsaka ny fangaraharahan’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany sady isan’ny manampy ny firenena iray amin’ny fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany.
Andaniny, nohararaotin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ny fihaonana, nizarany tamin’ny Masoivoho Britanika ny faniriany hiara-hiasa amin’ity firenena ity amin’ny resaka fanofanana. Fanofanana izay tafiditra anatin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa eo anivon’ny Ministera iandraiketany ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
————————-
VISITE DE COURTOISIE DE L’AMBASSADEUR DU ROYAUME-UNI AUPRÈS DU MMRS – 26/07/2022
Le secteur minier est un secteur très important pour l’économie de Madagascar; un secteur clé pour la création d’emploi et source de revenu. Il est ainsi important de créer un environnement efficace pour le secteur minier afin qu’il puisse contribuer au développement économique du pays. Tels ont été les propos de Son Excellence Monsieur David William Ashley, Ambassadeur du Royaume-Uni à Madagascar, lors de sa visite de courtoisie auprès du Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier dans son bureau à Ampandrianomby, le mardi 26 juillet 2022.
Cette rencontre fut une occasion pour les deux parties de faire un tour d’horizon sur les diverses possibilités de coopération. Entre autres, comment œuvrer ensemble pour que le secteur minier puisse contribuer davantage au développement de la Grande Île ; la considération des impacts socio-environnementaux qui y sont liés ; la transparence des industries extractives à travers la norme EITI pour améliorer l’attractivité du secteur minier ; le partage de savoir-faire et d’expériences. Sur ce dernier point, le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques a particulièrement exprimé ses souhaits sur le renforcement des capacités des ressources humaines du département ministériel dont il est à la charge.
MMRS/DCRI – Juillet 2022