MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FAHAFAHANA MANONDRANA VATOSOA SY VATO SAROBIDY AVY ETO MADAGASIKARA
Hiverina amin’ny laoniny manomboka androany ny fahafahana manondrana ny vatosoa sy vato sarobidy avy eto Madagasikara taorian’ny fiatoana nandritra ny fotoana maharitra, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahan’ny Ministera tomponandraikitra sy ireo mpandraharaha amin’izany seha-pihariana izany, androany Talata 20 Septambra 2022 tao Ampandrianomby.
Nisy ireo fandaminana hahatomombana ny famerenana indray ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy nandritra ny fotoana nampiato izany nanomboka ny volana Oktobra 2021, nandritra ny herintaona izay ; ary ankehitriny dia efa voatendry teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny tomponandraikitra manana ny fahefana hanasonia ny antontan-taratasy ilaina amin’izany fanondranana izany. Isan’ny zava-dehibe indrindra tao anatin’izany lamina izany ny fanavaozana ny fetram-bidy farany ambany ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany na ny valeurs marchandes de référence mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy marina ankehitriny, raha ny taona 2001 no nisian’ izany farany ka ny sanda tamin’izany fotoana no mbola nampiasaina hatramin’izao. Ny famaritana izao fetram-bidy farany ambany vaovao izao dia tontosa taorian’ny fikaonan-doha sy asa niombonan’ny avy amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha voakasik’izany.
Ankoatra ny famaritana io fetram-bidy farany ambany io dia noraisina ihany koa ny fepetra fanatsarana sy fisorohana ny hosoka, dia ny fampiasana ny « Certificat de conformité » vaovao tsy azo alain-tahaka ary misy QR Code.
Tanjona kendrena amin’ny fanatsaràna, toy ny famaritana fetram-bidy vaovao ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany izao, ny hitondran’ny asa fihariana harena an-kibon’ny tany voka-tsoa ho an’ny firenena nefa koa tsy hamono antoka ireo mpandraharaha mpiantsehatra.
MMRS/DCRI – Septembre 2022