AKOM-BAOVAO DRMRS AMORON’I MANIA : Fanentanana sy fampahafantarana tao amin’ny Kaominina Amborompotsy sy Mangataboahangy, ho fananganana ny fikambanan’ny mpitrandraka madinika sy mpanivana volamena

Tonga nanotrona an’i Ramatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena nanokatra ny « Festival DONGA MENA » nanomboka ny 18, 19, 20 Septembre teo tao Midongy Andrefana ahitana ny CR Mandrosonoro, Mangataboahangy, ary Amborompotsy ao amin’ny Distrika Ambatofinandrahana, ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS Amoron’i Mania sy ny ekipany, izay nisolo tena ny Ministra mpiahy ny Faritra Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Taorian’izany dia nisy ny fampiofanana sy fampahafantarana ireo Ben’ny tanana tany an-toerana mikasika ireo fehezan-dalàna mikasika ny harena an-bikon’ny mamaritra ny fitantanana ny vokatra sy ny tamberim-bidy.

Ankoatr’izay nanao fitsidihana toera-pitrandrahana maro tao amin’ny Kaominina Amborompotsy sy Mangataboahangy izay tsy tongan’ny fiara fa tsy maintsy andehanana « Moto-cross » adin’ny dimy sy dian-tongotra mandritra ny ora telo. Ireto Kaominina  Andrefana ireto no farany lavitra indrindra ny renivohitry ny Faritra Amoron’i Mania, ary tsy maintsy mandalo ny Faritra Vakinankaratra sy Menabe vao miverina mihazo azy indray.

Natao ny fanentanana ireo mpitrandraka hiditra amin’ny sehatra ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny fananganana ny fikambanan’ny mpitrandraka madinika sy mpanivana volamena ary famporisihana azy ireo hanaraka ny fenitra ara-tontolo iainana amin’ny asa fitrandrahana.

 Fampitam-baovao sy Sary : Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania

MMRS/DCRI – Septembre 2022