AKOM-BAOVAO DRMRS SAVA SY DIRMRS TOAMASINA : Fifanakalozana traikefa sy fifampizaràna hay raha teo amin’ny Fitaleavam-paritra
Tonga nanatanteraka fitsidihana fifanakalozana traikefa nandritra ny hefarana teto amin’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Toamasina ny avy amin’ny DRMRS SAVA, nijery ireo fomba fiasa sy ireo karazana vato sy harena an-kibon’ny tany maro samihafa ahondrana eto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Fifanakalozana sy fifampizarana hairaha no natao. Nisy ny fidinana teo amin’ny seranan-tsambo nanatrika sy nanatanteraka ny antsoina hoe empotage sy ny maro samihafa. Nisy ireo mpanondrana goavana sy orinasa goavana nanondrana ny entany ary nisy ihany koa ireo mpanondrana entana salantsalany. Niarahana nanatanteraka ny asa fikarakarana antotan- taratasy rehetra mba hisian’ny fifanakalozana marina.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS SAVA
MMRS/DCRI – Octobre 2022