AKOM-BAOVAO DIRMRS FIANARANTSOA : Fidinana ifotony tao Ivandrika Ihosy ho tohin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement sy tao Andohanilakaka ho fampahafantarana ny fanondranana vatosoa sy vato sarobidy

Ho tohin’ny fametrahana ny zone d’encadrement dia nidina ifotony tao amin’ny Fokontany Ivandrika CR Zazafotsy, Distrika Ihosy ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Fianarantsoa ny alarobia  27 Septembre 2022. Niaraka tamin’ny Ben’ny Tanàna  ny Zazafotsy,  sy ny Chef Fokontany Ivandrika sy ny mpiaramiasa aminy.

Nampahafantarina ireo olona efa mitrandraka ao ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nampahafantarina ihany koa ny dingana apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, mba hampidirana ao anaty sehatra manara-dalàna ireo fitrandrahana madinika ny harena an-kibon’ny tany.

Samy vonona hiditra ao anatin’ny ara-dalàna avokoa ireo rehetra efa niasa teo. Ary mangataka ny hanafainganana izany satria io no fidiram-bolan’izy ireo ankehitriny, araka ny teny nataon’ny Lehiben’ny Fokontany sy ny solontenan’ireo mpitrandraka.

Taorian’izany dia nidina ifotony tao amin’ny CR Andohanilakaka ny ekipa DIRMRS Fianarantsoa, ny alakamisy 28 Septembre 2022, nampahafantatra ireo mpandraharaha fa efa miverina amin’ny laoniny ny fanondranana vatosoa sy vato sarobidy.

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpandraharaha rehetra, nijerena ny momba ireo stock sy nampitàn’izy ireo ny hetahetany momba izany fanondranana ireo entana eo am-pelatanany izany.

Fampitam-baovao sy sary: Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa

MMRS/DCRI – Octobre 2022