Akom-baovao DIRMRS Toamasina momba ny fametrahana ny Zone d’encadrement

Ho tohin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement, ny ekipan ‘ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Toamasina dia nanao fidinana ifotony tao Saha Edena, Fokontany Beangaka, Kaominina Ambanivohitra Saranambana, Distrika Fenerive-Est, Faritra Analanjirofo ny Alatsinainy 3 Oktobra hatramin’ny Zoma 7 Oktobra 2022.

Ny fidinana dia niarahana tamin’ny Ben’ny Tanana Saranambana, ny Chef Fokontany Beangaka sy ny mpiara-miasa aminy.

Nampahafantarina ny mpitrandraka madinika ao an-toerana ny Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany sy ny dingana apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, mba hampidirina azy ireo ao anatin’ny sehatra manara-dalana. Isan’izany izao fametrahana ny Zone d’encadrement hahafahan’ny vondrona mpitrandraka madinika miditra amin’izany sehatra izany. Nandritra ny fidinana ifotony ihany koa dia nohamafisina ny fanentanana amin’ny tsy fampiasana zaza tsy ampy taona amin’ny asa fitrandrahana.

Naneho ny fahavononany hanara-dalana ireto mpitrandraka madinika ireto ary maniry ny hanafainganana ny antontan-taratasy izay mifehy azy ireo satria io ny antom-piveloman’izy ireo ankehitriny. Mitrandraka vato RUBIS moa izy ireo.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Toamasina

MMRS DCRI – Octobre 2022