Fifampizaràna, fifanakalozana ary fidinana ifotony niarahan’ny Fandrindrana Stratejika sy Fanarahamaso-Tombana ary Fanadihadiana (CSSE), sampana (UCSEA-USAO-UAI) sy DIRMRS Fianarantsoa

Tonga nanatanteraka fifanakalozana sy fifampizarana traikefa nandritra ny fidinana teo anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika tao Fianarantsoa ny faha-05 hatramin’ny 09 Oktobra 2022, ny CSSE sy ireo sampana ao aminy, dia ny UCSEA sy UAI ary USAO, avy amin’ny ministera foibe. Niaraha-mijery ireo fitaovana novolavolaina ho enti-manatsara bebe kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny Ministera foibe sy ny Fitaleavana isam-paritra.

Taorian’izany dia nisy ireo fidinana ifotony notanterahana tany amin’ireo toeram-pitrandrahana izay manao fikarohana (Permis de Recherche) sy toeram-pitrandrahana (Permis d’Exploitation) tany amin’ny Commune Rurale Tanamarina Bekisopa, District Ikalamavony Faritra Matsiatra Ambony, sy tao amin’ny Commune Rurale Sahambano ary Commune Andohan’Ilakaka District Ihosy, Faritra Ihorombe.

Naneho ny fankasitrahan’izy ireo tamin’ny fitsidihana eny ifotony nataon’ny Ministera mpiahy , sy ireo fifanakalozana nisy nandritra izany ireo mpitrandraka mpandraharaha.

Fampitam-baovao sy sary : UCSEA

MMRS/DCRI – Octobre 2022