AKOM-BAOVAO DIRMRS TOAMASINA : Fifanakalozana sy fidinana ifotony niarahan’ny Fandrindrana Stratejika, Fanaraha-maso, Tombana ary Fanadihadiana (CSSE), Sampana UCSEA-USAO-UAI sy DIRMRS Toamasina
Nanatanteraka iraka tany amin’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Toamasina ny avy amin’ny CSSE sy ireo sampana ao aminy, dia ny UCSEA sy UAI ary USAO, avy amin’ny Ministera foibe, ny 4 hatramin’ny 7 Oktobra 2022.
Niaraha-nijery akaiky ny fanatanterahana ny asa eo anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritra mba hitondrana ny fanatsarana amin’izany, ary ho fametrahana ny boky fampianarana sy fampiharana mitovy ho an’ny fitaleavana isam-paritra avy. Nisy ihany koa ny fijerena ifotony ireo fomba fiasa amin’ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany: anisan’izany ny fijerena ireo antontan-taratasy ilaina sy ny fidinana teny amin’ireo orinasa lehibe, nanaraka ireo asa fitsirihana atao alohan’ny hidirana any amin’ny seranan-tsambo.
Ankoatr’izany, nisy ny fifanakalozana sy ny fifampizarana hairaha toy ny fanamafisana ny traikefan’ireo teknisianina izay mitantana ny banky angona , ny fiarahana mijery ny fitaovana novolavolaina ho enti-manatsara bebe kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny Ministera foibe sy ny Fitaleavana isam-paritra
Fampitam-baovao sy sary : CSSE – DIRMRS Toamasina
MMRS/DCRI – Octobre 2022