FANARAHA-MASO IREO ORINASA MPITRANDRAKA HARENA AN-KIBON’NY TANY : Fidinana ifotony nifanesy tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy
Nanatanteraka fidinana ifotony nifanesy tamin’ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany maromaro tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena stratejika ny 05 ka hatramin’ny 08 Oktôbra 2022 lasa teo. Izany dia notarihan’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany (DGM), ary niarahana tamin’ny Tale miandraikitra ny Tontolo iainana (DRES) sy ny Fitaleavana iraisam-paritra Atsimo-Andrefana sy Androy, ary ny avy ao amin’ny »Police des Mines Toliara »
Voakasik’ity fidinana ifotony nifanesy ity ny orinasa mpitrandraka Graphite sy Labradorite ao amin’ny Kaominina Ambahità, Distrika Bekily, Faritra Androy sy Fotadrevo ao amin’ny Distrika Ampanihy-Andrefana ary Kaominina Benonoka, Distrika Benenitra Faritra Atsimo-Andrefana.
Ny lafiny fanajàna ny didy aman-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny lafiny ara-taratasim-panjakana rehetra, ny ara-teknika, ny ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy, ny ara-ekonomika, ary indrindra fandalàna ny maha-olona no niompanan’ny fijerena ifotony ny asan’ireo orinasa mpitrandraka ireo.
Hita sy tsapa nandritra ireo fitsidihana ireo fa misy tokoa ny orinasa mpitrandraka miezaka manaraka ny voalazan’ny didy aman-dalàna sy ireo fenitra isan-karazany tsy maintsy arahina amin’izany ka nampirisihina hanohy ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Misy ihany koa ireo nahitàna fanajàna amin’ny ampahany ny adidy sy andraikitra voalazan’ny didy aman-dalàna, ka nampahalalàna azy ny lesoka, ary nomena fe-potoana hanitsiany izay tsy maintsy hahitsy. Tao kosa anefa ny toeram-pitrandrahana tsy nahafeno ny fepetra amin’ny fanajàna ny bokinandraikitra ka nandraisana ny fepetra mifandraika amin’izany, mandra-piandry ny fanarenana izay tsy maintsy hataony amin’ny fomba fiasa.
Nandritra izao fidinana ifotony izao dia nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny tomponandraikim-panjakàna eny ifotony, ka anisan’izany ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambahità sy ireo mpiara-miasa aminy. Izany dia nahafahana nampahafantatra sy nampahatsiahy ny andraikitra sy zon’ny Kaominina manoloana ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary ny fifandraisany amin’ny Ministera sy ireo mpandraharaha.
Isan’ny tena andrandrain’ny Kaominina Ambahità sy ny Faritra Androy ny fisitrahana ny ristourne minière ary ireo ny voka-tsoa hafa azo avy amin’ny fisiana asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao aminy. Ilaina kosa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Vondrom-bahoakam-paritra amin’ny fanaraha-maso ny orinasa tsirairay.
Izao fidinana ifotony nifanesy izao moa dia ao anatin’ny fanamafisana sy fanatsaràna ny fomba fiasan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany amin’ny lafiny fanaraha-maso ifotony ny asan’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany.
Fampitam-baovao sy sary : DGM MMRS