Fanolorana fiara 4*4 miisa 10 hoan’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany

Anisan’ny vain-dohan-draharahan’ny Fanjakana ny ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandrobana ny harem-pirenena, ka tsy milefitra manoloana ny gaboraraka ny Fitondram-panjakana. Hampahomby izany dia fiara tsy mataho-dalana miisa 10 no natolotra ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) androany Alakamisy 02 Jolay 2020. Fampitaovana izay notsinjaraina ho an’ny Sampandraharaham-paritra sy iraisam-paritra manerana ny Nosy, mba hanamorana ny asan’izy ireo eny ifotony.

Taratry ny finiavan’ny fitondram-panjakana hampihatra ny Fanjakana tsara tantana izao fampitaovana izao, hoy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA, izay naneho ny fankasitrahany noho ny fanohanan’ny Fanjakana. Nifanotrona taminy rahateo ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara sady lehiben’ny Vaomiera misahana ny harena an-kibon’ny tany ary ireo tomponandraikitra mpitantana isan-tsokajiny ao amin’ny Ministera.

Mampiseho ny fiaraha-mientan’ny rehetra izany amin’ny fiarovana ny harenantsika, mba hahatrarana ny tanjona : harena an-kibon’ny tany fanoitra hampitraka ny toe-karem-pirenena, ary hitondra an’i Madagasikara amin’ny fisandratana, hoy hatrany izy. Nitondrany fanazavana fa sora-bola efa tamin’ny teti-bola ho an’ny taona 2019 no nenti-manana nividianana ireo fiara ireo ka izao azo soa aman-tsara izao. Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Minisitera no nahazoana fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana tahaka izao ka nanafarany ny hikajiana fatratra sy hitandremana amin’ny fampiasana ireo fiara ireo.

Ny Polisin’ ny harena an-kibon’ny tany, izay eo ambany fifehezan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany mivantana, dia ivondronan’ny olona avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena, Mpitsara ary Injeniera vita fianianana. Nazava ny hafatra napetraky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard, izay naneho fahavononam-piaraha-miasa matotra. Nanentana ireo mpitandro ny filaminana izay voatsonga tao anatin’ny maro, mba hanao ny asany araka ny tokony ho izy koa ity Minisitra ity, satria isan’ny fototra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany izany.