FANAMBARANA
Manoloana ny fahatratrarana volamena naondrana an-tsokosoko, niainga avy eto
Madagasikara, milanja 73,5 kg tany amin’ny Seranam-piaramanidina OR Tambo
Johannesbourg, Afrika Atsimo ny Alakamisy 31 Desambra 2020 lasa teo, dia
manao izao fanambarana izao ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny
Loharanonan-karena Stratejika:
- Tsy nisy mihitsy taratasy fahazoan-dalana hanondrana navoakan’ny Ministera
mikasika izany, satria efa nanomboka ny volana Oktobra 2020 no nampiato ny
fanondranana volamena ny Fanjakana. - Efa mandeha ny fanadihadiana hahafantarana ireo rehetra tompon’antoka
tamin’io fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena io. - Ny Minisitera, araka ny andraikiny, dia tsy handefitra manoloana ny tsy
fanarahan-dalàna ao anatin’ity raharaha ity, ary maneho ny fahavononany
hiara-miasa amin’ny rehetra amin’ny famerenana ireo harem-pirenena ireo eto
Madagasikara.
Antananarivo faha-05 Janoary 2021
Ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany
sy ny Loharanonkarena Stratejika