AKOM-BAOVAO DIRMRS FIANARANTSOA : Fiaraha-mientana ho fametrahana aro afo tao amin’ny toeram-pambolen-kazo iraisan’ny Fitaleavam-paritra Fianarantsoa sy ny mpandraharaha vato ary ny Kaominina Andohanilakaka
Ny Zoma 21 Oktobra 2022, dia nametrahana ARO AFO tao amin’ny toeram-pambolen-kazon’ny DIRMRS Fianarantsoa sy ny mpandraharaha opérateurs miniers ary ny Kaominina Andohanilakaka.
Niara-mientana tamin’izany ireo mpiara-miasa avy ao anivon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Fianarantsoa, niaraka tamin’ireo mpandraharaha harena ankibon’ny tany ao an-toerana sy ny tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa eo anivon’ny Commune Andohanilakaka, ary koa ireo komity ny ARO AFO eo anivon’ny Kaominina. Teo ihany koa ireo mpitandro filaminana ao an-toerana, ireo fikambanana tsotra sy politika, izay tonga nanatevin-daharana tamin’ny fanatanterahana izany.
Samy nanamarika ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ny rehetra ary samy vonona ny hiaro ireo ala nambolena amin’ny afo izay miha-manjaka amin’ny doro tanety ankehitriny. Natao ihany koa moa izao hetsika izao araka ny toromarika ara-panjakana mba hiadiana amin’ny doro ala sy doro tanety ka anisan’izany izao fepetra fisorohana natao izao.
Natao ny Aro afo manodidina ny toeram-pambolen-kazo mirefy 5 hekitara, tamin’ny alalan’ny tracteur ary nodiovina ihany koa ny bozaka isa-poto-kazo.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa
MMRS/DCRI – Octobre 2022