AKON’NY FIDINANA IFOTONY TANY AMIN’NY DISTRIKAN’NY BETROKA KAOMININA AMBANIVOHITRA IANABINDA NY ALAKAMISY 20 OKTOBRA HATRAMIN’NY ALAHADY 23 OKTOBRA 2022

Ho tohin’ny fametrahana ny « Zones d’encadrement » ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika ao amin’ny Faritra ANOSY, ny Ben’ny Tanana CR IANABINDA sy ny mpiara-miasa aminy dia nidina ifotony tao amin’ny Distrikan’ny Betroka Kaominina Ambanivohitra Ianabinda tao AMBATOMIARY sy AVOROKAFOTRA TOBY. Izany dia natao ho fampahafantarana sy fametrahana ny zones d’encadrement roa izay nivoaka ny 20 Septambra 2022 taorian’ny fangatahan’ny Ben’ny Tananan’ny IANABINDA ny 19 Jolay 2022 lasa teo, toy izao no zavatra nifampiresahana tamin’izany :

– Fampahafantarana ny mpitrandraka madinika ao an-toerana ny Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany ;

– Dingana apetraky ny Fitondram-panjakana indrindra fa ny Minisitera mahakasika ny fametrahana ny “zones d’encadrement” mba hampidirana ireo mpitrandraka ao anatin’ny sehatra ara-dalàna ;

– Fanentanana ny mikasika ny fampiasana zaza tsy ampy taona ;

– Fanentanana ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Vonona ny hanara-dalàna izy ireo mpitrandraka madinika ary nangataka ny hanafainganana ny antontan-taratasy izay mifehy ny sehatry ny fitrandrahana satria io ny antom-piveloman’izy ireo.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS ANOSY

MMRS DCRI – Oktobra 2022