Fametrahana Zone d’encadrement Distrika Ankazobe : Fidinana ifotony tao Andranomavo Antsakay Avaratra

Tontosa ny 08 ka hatramin’ny 11 Novambra 2022 ny fidinana ifotony tao Andranomavo Antsakay Avaratra, Fokontany Ampanikely, Kaominina Andranomiely Atsimo, District Ankazobe, Faritra Analamanga, nijerena ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izay ahitana mpitrandraka madinika maro. 

Izany moa dia tafiditra amin’ny fanohizana ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » ho an’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika, mba hahafahan’izy ireo miditra ao anatin’ny sehatra ara-dalana. 

Mialoha izany dia nisy ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana eny ifotony, nahafahana nanazava ireo lalana mifehy ny fametrahana izany “Zone d’encadrement » izany, ary koa niresahana sahady ireo dingana manaraka tokony hatao mba hanamorana ny fanangana ny fikambanan’ny mpitrandraka mandinika.

Nankasitraka ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika moa na ireo solotenam-panjakana eny ifotony na ireo mpitrandraka amin’izao ezaka lehibe amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatry ny ara-dalana izao.

 Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Antananarivo

MMRS/DCRI – Novembre 2022