AKOM-BAOVAO DRMRS VATOVAVY SY FITOVINANY
Nidina ifotony tao amin’ny kaominina Ifanirea, Ilakatra ary Mahazoarivo ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Vatovavy sy Fitovinany ny 8 sy 9 Novambra 2022.
Izany no natao dia ho fanamafisana ny fampidirana amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy volamena madinika, izay politikan’ny Fitondram-panjakana, tanterahan’ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany.
Fantatra fa anisan’ny antom-pivelomana raha ny any amin’io faritra io ny fanivanana volamena, rehefa vanim-potoana tahaka izao, ka izany indrindra no hanamafisana izao hetsika izao mba ho tombontsoa hoan’ny rehetra.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vatovavy sy Fitovinany