Ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika dia mikatsaka lalandava ny fanatrarana ireo tanjona napetraka ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny momba ny sehatra misy azy

Araka izany, dia notokanan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tamin’ity zoma 03 Jolay 2020 ity, tao amin’ny Campus Ambohitsaina ny trano vaovao ahitana toeram-pikarohana Laboratoire de Gemmologie et de Lapidairerie. Niara-nanatanteraka izany fanokanana izany ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana sy ny Filohan’ny Oniversiten’ Antananarivo ary koa ny Talen’ny Institut des Mines, de Géologie et du Pétrole.
Toeram-pikarohana vaovao ao amin’ny Institut des Mines, de Géologie et du Pétrole, izay sampana iray ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ankoatra ny fampiofanana ireo izay liana amin’ny lalam-piofanana momba ny vatosoa, dia afaka atonina koa ity laboratoara ity raha misy asa tiana ho tanterahana mifanaraka amin’izany. Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny tanjona apetraky ny Fanjakana, amin’ny fanodinana ireo vatosoa sy vato sarobidy mialoha ny hanondranana azy ireo, ny fisian’izao toeram-pikarohana izao. Raha miohatra amin’ireo vato tsy voahodina tokoa mantsy dia manantombo kokoa ny vato voatefy, na amin’ny endriny izany na amin’ny vidiny. Nandritra ny lahateny nataony, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA dia nampahafantatra fa hisy ny fananganana Atelier communautaire de lapidairerie ao Antsirabe, ao anatin’ny Tetibola nasiam-panitsiana LFR 2020. Izany dia mba hanomezana fiofanana momba ny vatosoa sy vato sarobidy ka ahafahan’ireo mpisitraka, indrindra ireo mpanao asa tanana, hiroso amin’ny sehatra matihanina.
Niarahaba ny ezaka lehibe vita ny Minisitra, ary nankasitraka ny fanomezana vahana ny fikarohana ampiharina amin’ny alàlan’ny fisian’ity Laboratoire de Gemmologie et de Lapidairerie vaovao ity. Marihana fa ankoatry ny ampahan’ny fitaovam-panefena vatosoa, izay avy amin’ny Masoivohon’i Thailande; ny fananganana ny trano sy ny fampitaovana ity toeram-pikarohana vaovao ity dia vokatry ny ezaka madiodio an’ny Institut des Mines, de Géologie et du Pétrole manokana. Naneho ihany koa ny faniriany amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izy, indrindra ny amin’ny fananganana toeram-panefena vatosoa manakaiky ny toeram-pitrandrahana eny ifotony.