AKOM-BAOVAO DIRMRS TOLIARA : Fidinana ifotony tao amin’ny kariera Ankarandoha Tsihombe

Nanatanteraka fidinana ifotony fanaraha-maso ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ho fametrahana  »zone d’encadrement » ny teo anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Toliara ny 22 Novambra 2022.

Kariera ao anatin’ny Fokontany Ankarandoha, Kaominina ambonivohitra Tsihombe, Distrika Tsihombe, Faritra Androy no notontosaina.

Taorian’ny fitsidihana ny toeram-pitrandrahana dia nisy ny famoriana ireo mpitrandraka madinika nampahafantarana azy ireo ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Natao ny fanentanana azy ireo hivondrona anaty fikambanana mpitrandraka madinika izay tafiditra hatrany ao anatin’ny Politikam-panjakana tanterahan’ny Ministera amin’ny alalan’ny fametrahana ny  »Zone d’encadrement ».

Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ Andriamatoa Ben’ny Tanàna lefitra sy ny mpiara-miasa aminy ka nahafahana nampita ny paikady sy programa ataon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, mba ho fampidirana ny mpitrandraka madinika anaty sehatry ny ara-dalàna, indrindra fifehezana ny asa vato sy fanaraha-maso akaiky ny fivezivezen’ny vato eto Madagasikara.

Nandritra ny fidinana ifotony no nahafantarana fa mijaly ireo vahoaka miaina anaty  »kere » ary anisan’ny vahaolana manampy azy ireo amin’ny fiainana andavanandro ny miasa vato na dia asa mafy aza izany.

Ho fanampiana ireo vahoaka kere dia nanome toky ny avy eo anivon’ny DIRMRS Toliara fa hanampy ary hiara-miasa amin’izy ireo ary nisy ny fepetra noraisina ho fitsinjovana ny asa vato izay efa ataon’izy ireo nandritra ny taona maro.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Toliara

MMRS/DCRI – Novembre 2022