AKOM-BAOVAO DIRMRS ANALAMANGA
Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Fitaleavana Iraisam-paritra Analamanga tao amin‘ny Kaominina Maritampona sy Mangatany, Distrikan’ny Fenoarivobe, Faritra Bongolava ny 16 ka hatramin’ny 19 Novambra 2022.
Izany moa dia tafiditra hatrany ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny »Zone d’encadrement » ho an’ny mpitrandraka madinika ary nijerena ifotony ireo toerana maromaro misy fitrandrahana volamena ankehitriny.
Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra eny an-toerana sy ireo mpitrandraka madinika nandritra izany fotoana izany, nentina nampahafantatra ireo lalana mifehy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany ary nanazavana koa ireo dingana maro izay harahana mandritra izany fametrahana ny « Zone d’encadrement » izany.
Mifandraika amin’izay dia nentanina ireo mpitrandraka madinika mba hanaja hatrany ny ara-tontolo iainana, ny fitandroana ny filaminana, ary indrindra hisoroka ny fampiasana zaza tsy ampy taona eny amin’ny toerana fitrandrahana.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Analamanga