AKOM-BAOVAO DRMRS AMORON’I MANIA
Tonga nidina ifotony tany amin’ny toeram-pitrandrahana maro teo anivon’ny Kaominina Itremo, Fenoarivo ary Ambatofinandrahana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Amoron’i Mania ny 21 sy 22 Novembre lasa teo ho tohin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement »izay ivondronan’ireo mpitrandraka madinika avy any ifotony.
Natao ireo fitsirihana ireo toeram-pitrandrahana izay ahitana vokatra harena an-kibon’ny tany maro ka nandritra izany no nanentanana hatrany ireo mpitrandraka hanaja ny fenitra ara-tontolo iainana amin’ny asa fitrandrahana, ny fitandroana hatrany ny fahadiovana , ny mba hametrahana ireo fepetra hisorohana ny mety hisian’ny loza mandritra ny asa fangadiana vato ary indrindra ny tsy tokony hampiasana zaza tsy ampy taona.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania