Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM)

Mankalaza ny faha-roapolo taona nijoroany

Ivato, 02 Desambra 2022 – Notanterahana androany ny fankalazana ny faha-roapolo taona nijoroan’ny Birao miadidy ny Sora-pananana momba ny Harena an-kibon’ny tany na ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM), teny amin’ny birao foibeny Mining Business Center Mamory Ivato.

Teo ambany fiahian’Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika no notanterahana ny lanonana.

Nasongadin’Andriamatoa Minisitra fa mitazona andraikitra lehibe mba hitondran’ny sehatra harena an-kibon’ny tany anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena ny BCMM, amin’ny maha-mpanelanelana eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny mpandraharaha azy. Notsindriany manokana ihany koa fa manan-toerana lehibe ireo mpandraharaha misehatra anatin’ny rafitra ara-dalàna satria izy ireo no isan’ny mitondra anjara biriky amin’ny fanatsarana ny toekarem-pirenena, avy amin’ny saram-pitantanana harena an-kibon’ny tany.

Ny Birao miadidy ny Sora-pananana momban’ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, fantatra amin’ny anarana hoe BCMM, izay natsangana araka ny Didim-panjakana laharana faha-2000-308 tamin’ny 10 May 2000, dia sampan-draharaham-panjakana  anatin’ny sokajy EPIC na Etablissement Public à caractère Industriel et Commercial, eo ambany fiahiana ara-teknika ny Ministera misahana ny Harena an-kibon’ny tany ary eo ambany fiahiana ara-bolan’ny Ministera misahana ny Vola sy ny Teti-bola.

Ao amin’ny Mining Business Center ao Mamory Ivato ankehitriny no birao foibe ary miisa 12 ireo birao mipariaka any amin’ny faritra. Tsy hitsahatra hiparitaka amin’ireo faritra mbola tsy ahitana biraon’ny BCMM izany, tafiditra indrindra anatin’ny fanatanterahana ny  “Fanjakana manakaiky vahoaka”.

Maro ireo asa iandraiketan’ny BCMM mikasika ny fikirakirana sy fanomezana ireo fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo toromarika sy torolalana rehetra ilaina momba ny fahazoan-dalana hitrandraka.

Ny BCMM dia mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany Malagasy eto an-toerana sy maneran-tany. Izany rehetra izany dia asa ataon’ny BCMM ao anaty fangaraharahana tanteraka ary koa fandraisana sy fikarakarana mitovy tantana ho an’ny mpisehatra rehetra.

Fizarana mari-boninahi-pirenena,  medaly volafotsy ary alimo  ho an’ireo mpiasan’ny BCMM voakasik’izany no namaranana ny lanonam-pankalazana.

MMRS/DCRI – Décembre 2022