AKOM-BAOVAO DIRMRS TOAMASINA

Ho tohin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement », ny ekipan’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika DIRMRS Toamasina dia nanao fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Miarinarivo, District Vavatenina, Faritra Analanjirofo ny Talata 22 Novembre ka hatramin’ny Alarobia 30 Novembre 2022.

Ny fidinana dia niarahana tamin’ny Ben’ny Tanànan’ ny CR Miarinarivo sy ny mpiara-miasa aminy, ka toerana fitrandrahana volamena valo (08) izay iasan’ ireo mpitrandraka madinika no voakasik’izany

 Fokontany Ambodiampaly :

– Ranomena (01)

-Agnalambarotro (02)

-Berangazaha (01)

– Sahafosa (01)

 Fokontany Agnamborano :

– Beantambo (01)

– Antsirohintsambo (02)

Nampahafantarina  ny mpitrandraka ao an-toerana  ny Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny dingana apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministera, mba hampidirana azy ireo ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Vonona ny hanara-dalàna izy ireo ary nangataka ny hanafainganana  ny antotan-taratasy izay mifehy azy ireo satria io no antom-piveloman’izy ireo ankehitriny.

Nahitana  mpitrandraka tsy ampy taona maromaro ireo toerana ireo  ka nanaovana fanentanana mba tsy hampiasana azy ireo.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Toamasina