FARITRA BOENY, BETSIBOKA, SOFIA :Fidinana ifotony nataon’ny Comité 6 nanatanterahana tombana mialoha ny fanavaozana ny fahazoahan-dalana PRE sy fanaraha-maso ireo asa fitrandrahana vato ataon’ireo Vondrona Mpitrandraka madinika na ZONE D’ENCADREMENT

Notontosaina ny 14 Jona hatramin’ny 23 Jona 2023  ny tapany voalohany tao Ankaraobato, Manarantsandry ary Antanimasaka Distrika MAROVOAY, Ambondromamy Distrika AMBATO BOENY FARITRA BOENY  ary tany Mahazoma Distrika MAEVATANANA FARITRA BETSIBOKA, ary ny 04 hatramin ny 17 Jolay kosa ny tapany faharoa tao amin’ny FARITRA SOFIA : Komajia District MAMPIKONY , Marovantaza Distrika PORTBERGE , Ambolobozo sy Ambarijeby Distrika ANALALAVA, ary taorian’izay dia tany  amin’ny FARITRA  Betsiboka : Distrika TSARATANANA Kaominina Tsararova sy Bekapaika.

Niara-nisalahy nanatanteraka izany ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Mahajanga, sy BCMM izay mpikambana ao anatin’ny « Comité 6 », miaraka amin’ireo ekipa avy amin’ny Ministera foibe sy ireo solotenan’ny mpitrandraka isam-bondrona ary ireo olom-boafidy na olom-boatendry tany an-toerana.

Isan’ny fepetra tsy maintsy lalovana mialoha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hitrandraka, hijerena akaiky ny zava-misy any an-toerana moa izao fidinana ifotony izao .

Fampitam-baovao sy sary : Tale DRES