MALAIMBANDY – FARITRA MENABE : tantsoroka ho an’ireo tanora nanao asan-dahalo teo aloha mba hahafahany misehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ara-dalàna

Tontosa ny asabotsy faha ny 16 ny volana marsa lasa teo ny fihaonana niarahan’ny ekipan’ny Fitalevam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMIM Menabe tamin’ireo solontenan’ny tanora mpikambana amin’ny Fikambana LAMBAMENA tao amin’ny Kaominina Malaimbandy. Fikambanana izay ivondronan’ireo tanora nanao asan- dahalo teo aloha, ka nobeazin’ny Fiangonana Katolika ara-pinoana mba ho olom-pirenena vanona.

Nandritra izany ny fihaonana izany dia nisy ny fitondrana fanazavana mikasika ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary nisongadina tamin’izany ny momba ireo dingana samihafa ho fametrahana ny « Zone d’encadrement », izay tsiahivina hatrany fa paikady entin’ny Fanjakana hampidirana ireo mpitrandraka madinika anatin’ny sehatra ara-dalàna sy fanaovana matihanina azy ireo, amin’ny alalan’ny tantsoroka marolafy omen’ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany.

Nohamafisin’ Andriamatoa Talem-paritry ny Harena An-kibon’ny Tany DRMIM Menabe fa vonona izy ireo ny hanome tantsoroka ny fikambana LAMBAMENA amin’ny ahazahoany misitraka ny « Zone d’encadrement » sy fananganana ny fikambana mpitrandraka madinika mba ahafan’ireo mpikambana miasa amin’ny sehatry ny ara-dalàna ary tsy misy sarany ny fanaovana izany.

Ny mpitarika ny Fikambana LAMBAMENA kosa dia nisaotra ny ekipan’ny Fitaleavamparitry ny Harena an-kibon’ny tany arynampanantena fa hanao ezaka mba handresy lahatra ireo mpikambana ao amin’ny mba hisehatra amin’ny fitrandrahana ny Harena an-kibon’ny Tany ary ao anatiny fanarahan-dalàna, indrindra ny mba tsy hiverenan’ izy ireo intsony amin’ny fanaovana asan- dahalo indray.

Nanatrika izany fivoriana izany Andriamatoa Ben’ny tanàna, ny lehiben ‘ny Boriborintany, ny Kaomandin’ny CSAO ary ny Kaomandin’ny Brigadin’ny Malaimbandy.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Menabe