FAKAN-KEVITRA ANDRAISAN’IREO MPISEHATRA ANJARA MOMBA NY DIDY FAMPIAHARANA NY FEHEZAN-DALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, Lalàna 2023-007, izay efa nandalo fankatoavan’ny Antenimiera roa tonta ary efa nivoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia norafetina taorian’ireo andiana fakàna ny hevitr’ireo mpisehatra isan-karazany notanterahana manerana ny Nosy.

Mba hahafahana mampihatra antsakany sy andavany azy ireo anefa, dia misy ireo fepetra maromaro ao anatin’izany fehezan-dalàna izany mila faritana amin’ny didy amam-pitsipika.Tafiditra indrindra ao anatin’ireo laharam-pahamehana ao anaty Politika ankapoben’ny Fanjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny fandrafetana ny Didy fampiharana ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Ary ho firosoana amin’ny dingana manaraka, dia nisy ny Fakan-kevitra nandraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara nataon’ny Ministera tomponandraikitra, tamin’ny alalan’ny EITI Madagascar. Atrikasa izay notontosaina teo ambany fitarihan’ny Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany, ny Zoma faha-12 Avrily 2024 teny amin’ny MBC Mamory Ivato.

Mavitrika tokoa ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra, ny Fanjakana amin’ny alalan’ireo Ministera sy Andrim-panjakana isan-tokony, ireo mpandraharaha sy mpitrandraka artizanaly, ireo misehatra amin’ny fanodinana vatosoa sy firavaka, mpanangom-bokatra harena an-kibon’ny tany, tobim-pividianam-bolamena, mpitrandraka vaventy, fiarahamonim-pirenena, solontenan’ireofirenena mpiara-miombonantoka ary koa olom-pirenena mandray andraikitra

Lohahevitra maro samihafa no niompanan’ny fifanakalozan-kevitra tany anaty asam-baomiera, nahitana ny : fitrandrahana vaventy, ny fitrandrahana artizanaly, ny resaka manodidina ny tontolo iainana, ny mikasika ny volamena, ny momba ny vola sy ny asa fanondranana indrindra ny momba ny Fampiasam-bola hamokarana ara-tsosialy sy itambarana (FMISC), ny fomba fandraisana sy ny tahan’ny fitsinjarana ny Sara sy Haba manokana momba ny vokatra azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany (DTSPM). Nisy koa ny vaomiera izay nidinika momban’ny lohahevitra maromaro toy ny Akora momba ny harena an-kibon’ny tany stratejika, ny fanenjehana ny fandikan-dalàna, ny fisafoana momba ny harena an-kibon’ny tany.

Ankoatr’izany, nohazavaina manokana ny fanavaozana goavana momba ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny kadasitry ny harena an-kibon’ny tany, momba ny fikirakirana ny fangatahana fanomezan-dalana sy fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany.