Misaotra ireo mpitarika isan-tokony eto anivon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ireo ratsamangaikany niara-nientana tamin’izany ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar, ny OMNIS, ny Agence Nationale de la filière OR Madagascar – ANOR, ny Laboratoire des Mines de Madagascar, ny EITI Madagascar mpikarakara, ary indrindra ny fitarihana mahomby nataon’Andriamatoa Minisitra Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier nandritra ny tontolo andro manontolo.
Mankasitraka ny mpandray anjara rehetra, nisolo tena ny sehatra misy azy avy : ny Fanjakana amin’ny alalan’ireo Ministera sy Andrim-panjakana isan-tokony, ireo mpandraharaha sy mpitrandraka artizanaly, ireo misehatra amin’ny fanodinana vatosoa sy firavaka, mpanangom-bokatra harena an-kibon’ny tany, tobim-pividianam-bolamena, mpitrandraka vaventy, fiarahamonim-pirenena, solontenan’ireo firenena mpiara-miombonantoka ary koa ireo olom-pirenena mandray andraikitra.
Miroso hatrany isika amin’ny asa efa natomboka, ho fampiroboroboana ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana
Tsy ho very maina ny fifanakalozan-kevitra niarahantsika nidinika, fa ho toy izay efa nahitam-boka-tsoa tamin’ireo Fakan-kevitra samihafa namolavolàna ny Code Minier ka nampidirana tao anatin’izany ny tolo-kevitra avy amin’ny mpandray anjara, satria ny hevitry ny maro tokoa mahataka-davitra.