AKOM-BAOVAO FARITRA MENABE : FIDINANA IFOTONY FITSIDIHANA TOERAM-PITRANDRAHANA HAZOVATO (SITE D’EXTRACTION DES BOIS SILICIFIES), TAO ANKONDROMENA, DISTRIKA MIANDRIVAZO

Ny faha 15, 16, 17 jolay lasa teo dia nisy ny fidinana ifotony nijerena ireo toeram-pitrandrahana hazovato tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankondromena, Distrika Miandrivazo. Fidinana ifotony izay niarahana tamin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Miandrivazo ary Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Ankondromena. Ity Kaominina ity no lavitra indrindra ary amin’ny farany avaratra ao amin’ny faritra Menabe satria raha avy eo Miandrivazo dia mbola mitety faritra dimy (Vakinakaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava ary Melaky) ary telo andro an-dalana vao tonga any an-toerana.

Natomboka tamin’ny fitsidihana sy fihaonana tamin’ireo mpitrandraka madinika hazovato teny amin’ireo toeram-pitrandrahana Maroaboaly, Ankilimalaiolo ary Andriampagnohara izany fidinana ifotony izany. Nampahafantarina ireo mpitrandraka madinika ny mikasika manokana ireo hazovato sy ny fomba fakana azy, izay tokony ho fitrandrahana artizanaly fa tsy ilana fitaovana vaventy. Nampahafantarina azy ireo koa ny tsy maintsy hikajiany hatrany ny tontolo iainana.

Taorian’izany dia nisy ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha mpisehatra amin’io hazovato io ao an-toerana, izany dia natao tao amin’ny biraon’ny kaominina Ankondromena. Nanazava mahakasika ity sehatr’asa ity ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMIM Menabe ny amin’ny fahazoana « Autorisation de ramassage » ho an’ireo izay mahafeno ny fepetra rehetra takian’ny lalàna. Nisy ihany koa ny fanazavana mahakasika ny mety ho fandikan-dalàna sy ny sazy mifanaraka amin’izany (ohatra ny fausse déclaration,sns…).

Nankasitraka ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitra ireo ny mpandraharaha sy ireo mpitrandraka mandinika, vonona ny hanaraka ny toromarika rehetra satria sambany tokoa vao nisy tompon’andraikitry ny Fitalevam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany nidina ifotony nijery ny asan’izy ireo. Nanamafy ireo mpandraharaha fa hiara hiasa akaiky amin’ny kaominina Ankondromena mba samy hisitraka tombotsoa ny tsirairay avy dia ireo vahoaka miasa, ny kaominina ary ny mpandraharaha.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Menabe