FARITRA ANALANJIROFO : Atrikasa fampahafantarana ny Lalàna mifehy ny seha-pihariana sy fanentanana mikasika ny fandraharana harena an-kibon’ny tany tao Vavatenina

Kaominina 10 amin’ny 11 ao anatin’ny distrikan’i Vavatenina izay miavaka amin’ny fananany otrikarena an-kibon’ny tany betsaka, no ahitana mpitrandraka madinika amin’ny volamena.

Nisy ny Atrikasa fampahafantarana sy fanentanana mikasika ny fandraharana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany izay notanterahan’ny delegasionan’ny Ministera notarihan’ny Talen’ny Police des Mines, niaraka tamin’ny Talen’ny Serasera ary ny Talem-paritra DRMIM Analanjirofo, notanterahana tao Vavatenina ny 25 Jolay 2024. Nanokatra ny fotoana ny Adjoint du Chef District, nanotrona izany koa ny Ben’ny Tanàna Kaominina Ambonivohitra Vavatenina.

Nampahafantarina nandritra izany :

-ireo lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany mifandraika amin’ny asa fitrandrahana sy fandraharahana manodidina izany (dingana tsy maintsy lalovana mialoha ny hanatanterahana ny asa, fepetra tsy maintsy arahana eo am-panatanterahana izany sns.)

-Nitondràna fanazavana ihany koa ny anjara asa iandraiketan’ny isan-tsokajiny (Ministera, tomponandraikitra ifotony, mpitrandraka, mpandraharaha), ny zo sy tombontsoa ateraky ny fanatanterahana ny fitrandrahana ao anatin’ny sehatra ara-dalàna.

-Ankoatr’izay, voaresaka manokana ny momba ny fisafoana ho fanaraha-maso ny fanajan’ny mpisehatra ireo fepetra tokony harahin’izy ireo, ary indrindra ny momba ny fandikan-dalàna. Raha toa ka ny Foibem-pitondrana misahana ny fisafoana (Direction des Inspections Minières) no manara-maso ireo mpisehatra ara-dalàna, ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny (Direction de la Police des Mines) kosa no mandray andraikitra manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ireo manao asa momba ny harena an-kibon’ny tany, nefa tsy manana taratasy ara-dalàna na manana fa tsy manan-kery intsony.

-Mpandray anjara maro no tonga namaly ny antso : tomponandraikitra avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana ifotony, mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena sy Zandarimaria, Ben’ny Tanàna sy tomponandraikitra avy amin’ireo Kaominina manodidina, fiarahamonim-pirenena, mpandraharaha, ireo fikambanana ary indrindra ireo mpitrandraka madinika.

-Nentanina arak’izany ny mpisehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fanangonana, ny fivarotana mba hiditra amin’ny ara-dalana. Nentanina koa ireo Tompon’andraiki-panjakana mba hanamafy izany mba hisian’ny tombotsoa ho an’ny mpitrandraka sy hipàka amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana ary ho an’ny firenena. Nandray anjara mavitrika ireo mpisehatra ary vonona hanatona ny Sampan-draharaha mikasika izany.