ANDRO MANERAN-TANY IADIANA AMIN’NY FAMPIASANA ANKIZY

« Ndao hajaigny ny fagnolorantegnantsika: ambilà ny fampiasan-jaza! »

Notanterahina tao Toamasina, teo ambany fiahian-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filoham-pirenena sy teo ambany fitarihan-dRamatoa Hanitra RAZAKABOANA, Minisitra misahana ny asa ny fankalazana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny zoma 26 Jolay 2024. Ny Komity Nasionaly ho an’ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy (CNLTE) izay tarihin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana ary ifandrimbonan’ireo sampandraharaham-panjakana maro ary iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny OIT, PACT Madagascar ary ny OSCIE no nanomana izany hetsika fankalazana izany.

Amin’ny maha-mpisehatra feno azy ao anatin’ny Komity Nasionaly CNLTE dia nandray anjara tamin’ny fankalazana ny eto amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany, nosoloin’ny Tale misahana ny DPGM sy ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Atsinanana tena.

Maro ireo hetsika notanterahana nandritra ny fankalazana, isan’izany ny Atrik’asa fifanakalozana natao tao amin’ny Hotel Calypso. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny asa, avy amin’ireo sampandraharaha-panjakana isan-tsokajiny, sy avy amin’ireo solontenan’ny mpandraharaha sy mpampiasa ary ny avy amin’ireo solontenan’ny mpiasa na ireo sendika sy fiarahamonim-pirenena.

Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia ny taratasy maneho ny fahavononan’ny mpisehatra tsirairay avy handray andraikitra amin’ny ady atao amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona ny atrik’asa. Ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana no nitarika izany ary samy nanao sonia avokoa na ny mpikambana nasionaly anatin’ny CNLTE, na ireo anaty komity rejionaly CRLTE. Isan’ny nanasonia tamin’izany ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Atsinanana sy ireo solontenan’ mpitrandraka kariera.

Nohamafisina indrindra nandritra ireo hetsika rehetra, fa ady iombonana no atrehana, ary ny rehetra dia manana adidy hanabe sy hanentana ny hafa mba tsy hiditra amin’izany fampiasana ankizy izany.

Anisan’ny tanjona efa mipetraka moa ny famongorana tanteraka ny fampiasana ankizy hatramin’ny faran’ny taona 2025.

Fampitam-baovao sy sary : DPGM